TETIKASA FAMPANDROSOANA - FIADANANA
Amin-kafaliana no hiarahabana anao tonga mamangy.
          
Tolorana fisaorana ianareo rehetra izay nanohana ny ezaka ataon`ny Zahana, sitraka
enti-matory hono hoe ka hovaliana raha mahatsiaro ary voamarina tokoa fa ny adidy
tsy anolon-dratsy.
        
Na eo aza izany hafaliana izany dia tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ao
ny mamy ary ao koa ny mangidy. Namoy namana iray ny Zahana ny volana jiona 2008
dia i Dr Daniel izay lasa na dia mbola erotrerony tokoa aza. Ny asa nataony ho
fanampiana ny Zahana dia mitoetra ary tsaroan`ireo ankizy sy mponina ao Fiadanana
satria olona nampianatra azy ireo ny ady amin`ny parasy lafrika. Vokatry ny fanentanana
nataony dia tsy misy parasy ny ankizy. 
 
        
      Ny asa vita indray no topaza-maso dia toa hilaza miara-mahita ihany izahay.
      Be no vita nefa mbola maro no miandry:
          
      - Nomena lay na aro-moka ny tokan-trano tsirairay mba hiarovana azy ireo
      amin`ny moka, Azo ambara fa nihena ny fitrangan`ny tazomoka raha ny nambaran`ireo
      mponina. Ny tazomoka no voalaza fa aretina voalohany ao Fiadanana. 
          
      Marihana fa tsy misy tobi-pahasalamana aloha hatreto ahafahana manara-maso
      akaiky ny toe-pahasalaman`ireo mponina.
          
      - Tontosa soaman-tsara ny fahatongavan`ny rano eo an-tanana. Vokatr` izany
      dia mahavelombolo fa tsy misy intsony ireo ankizy voan`ny aretim-pivalanana. 


      - Mahatratra 36 ny trano fivoahana raha 1 fotsiny tany am-boalohany.
  
      - Mijoro ny sekoly ary efa mianatra ireo ankizy. Mpampianatra roa no miandraikitra
      ny fampianarana sy fitaizana. Manana farim-pahaizana bac izy ireo ary nomena
      fiofanana manokana ``DVD approach``. Mamelona ny fanantenana ny mahita
      ireo ankizy tena mazoto mianatra. Ny ``evaluation, nataon`ny consultant
      nanofana ireo mpampianatra, ny volana jiona 2008 dia nahafahana nandrefy
      izany fiovana goavana izany.

- Mihinana mofo gasy mafana ireo ankizy any an-tsekoly ary azo lazaina fa isany mamporisika azy hande hianatra izany.

- Maniry tsara manodidina ny sekoly ny ankondro sy hazo fihinamboa hafa
      ary ny hazo zahana dia mandrombona ka ialofany ankizy amin`ny danik`andro.
      -Mijoro ny tranom-bokatra nefa mbola tsy miodina tanteraka araka ny nandrasana
      aminy. Natao hametrahana ny vokatra mba hiandry vidy tsaratsara. Ny tantsaha
      anefa tsy manana fidiram-bola hafatsy ny fambolena ka voasarika hivarotra
      avy hatrany izy ireo raha vao miakatra ny vokatra. Tsy mahakivy izany fa
      samy mianatra na ny ponina na ny Zahana ka hodinihana akaiky ny mety atao
      hanatsarana izany.
            
      - Natomboka ny fampisamboram-bola (micro credit) hanaovana fiompiana kisoa.
      Ireo nanao izany dia nahazo tombotsoa. Etsy ankilany somary nanahirana
      an`ny Zahana ny nandrefy ny vokatra azon`ireo tantsaha mivantana. satria
      ny ampaham-bola dia nanaovany asa tanimbary.
            
      Ireo no antsonay hoe `dingana fototra`. Ireo no tanteraka dia tsy herinay
      samy irery fa tao ny fiaraha-miasa akaiky tamin`ireo mitovy fomba fijery
      aminay ka nitondra ny anjarany aminy alalan`ny Tides Foundation. Tombotsoa
      ho an`ny Zahana manokana ny naha-tafidirany ao anaty fandaharan`asan`ny
      Tides Foundation izay tsy mitsahatra manome toro-hevitra hanatsarana ny
      asa. Noho izany dia tsy izahay aty an-toerana no nahefa ireo rehetra ireo
      fa tao ianareo tsy nitandro asasarana sy vola amin-karena nanohanana ny
      soritr`asa Zahana.
            
      Ny manaraka indray:
      - tohizana ny fampianarana eo Fiadanana,
      - hatomboka amin`ny tao-mpianarana manaraka ny fanabeazana ara-mpambolena
      sy fiompiana ka hanao zaridaina ho azy ireo ankizy mpianatra.
      - hatsaraina ny tontolon`ny micro credit,
      - hampiditra tanana iray hafa ao anatin`ny fandaharan`asa zahana mba ahafahana
      manao fampitahy: Fiarenana

- hampidirina ireo tetika ahafahana mampitombo ny vokatra fambolena sy
      fiompiana.
      - haparitaka ny fatana zahana (zahana cook stove) mba ho fiarovana ny tontolo
      iainana.
      Manasa anao hijery hatrany ny tranokala www.zahana.org.
      Ho hitanao ao ny antsipirihany mikasika ny voalaza etsy ambony.
      Mankasitraka anao namangy












